« Hamelo maso ny mozika malagasy » izay no tanjon’ity fiaraha-miasa an’ireto mpanakanto malagasy ireto. Izany dia entina hitarihina hitiavan’ny tanora ny mozika nentim-paharazana. Ho aseho amin’ny alalan’ny zava-maneno malagasy nentim-paharazana ary ny « beatbox » no hitondra ny rivo-baovao an’ilay fiara-miasa.