Ny volana aprily dia fotoam-pararano ho an’ny tantsaha mpamboly vary. Maro ny asa atao eny an-tsaha araka izany ka mifanotrona ny mpiray tanàna rehefa “hanao vary”. Ao ny mijinja vary, ny mifehy ny salohim-bary, ny mitaom-bary, ao koa ireo mively eny am-panoloana ary manaha vary raha mikarakara sakafo kosa ny hafa. “Ny valintanana” dia fitsipi-pifehezana mbola iainana eny amin’ny tontolo ambanivohitra, ary azo lazaina fa manampy amin’ny fifamatoran’ny mpiara-monina mihitsy aza. Isany mbola mandala tanteraka izany ny tantsaha ao amin’ny distrikan’Andramasina.