Notanterahina anio 10 aprily teny amin’ny Solimotel Anosy ny laobary an-dasy mahakasika ny « Tolotra fahasalamana ho an’ny daholobe » na » Couverture santé universelle (CSU) ». Nanodidina io lohahevitra io, sy ny tombony ho an’ny vahoaka ny dinidinika. Izany moa dia tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fahasalamana, izay ho tanterahina ny zoma 12 aprily 2019 ho avy izao. Nambaran’ireo tompon’andraikitra fa mbola distrika iray ihany, dia i Vatomandry no nametrahana ny CSU eto Madagasikara, ka ny fanangonana ny hevitry ny olom-pirenena no tanjona amin’izao hetsika izao. Marihina moa fa misokatra ho an’ny daholobe ity laobary an-dasy andiany voalohany ity.













