Antananarivo 30 martsa – 10h
Mihoatra lavitra nohon’ny isa noheritreretina ireo mpamily taxi sy taxibe tonga naka ilay fanampiana ho azy ireo teny amin’ny Lapan’ny tanàn’Antananarivo Renivohitra, androany 30 martsa. Tsy voahaja noho izany ireo fitsipika hiadivana amin’ny fihanaky ny Coronavirus.
Efa nametraka fandaminana anefa ny fiadidiana ny tanàna ary noferana ho 1 500 isan’andro ny isan’ny olona afaka maka fanampiana etsy Analakely.