Manodidina ny 100 eo ho eo ireo mpianatra malagasy mandranto fianarana any Jiangxi Nanchang (Chine). 264 km no manelanelana azy amin’ny tananan’i Wuhan, foiben’ny Coronavirus. Miparitaka amin’ny oniversite sy toerana maro ao Jiangxi Nanchang izy ireo.
Mitantara ny fiainan’ireo malagasy miatrika ity valana’aretina ity i Micharol Harinirina Santatriniaina, mpianatra iray mipetraka ao Jiangxi Nanchang. Ny tontolo androny sy ny zava-misy marina any an-toerana.