Hisy fenitra vaovao hapetraka mahakasika ny fampianarana mamily fiarakodia eto Madagasikara. Io no nambaran’ny minisitry ny fitaterana, fizahantany ary ny famantarana ny toetr’andro, Joël Randriamandranto. Manoloana ny tsy faneken’ny frantsay ny fahazoan-dàlana mamily fiarakodia nomena teto Madagasikara dia nanamafy ny tenany fa efa tamin’ny taona lasa no nanomboka nijery ifotony ny lesoka tokony harenina momba izany ny teo anivon’ny ministera.