Nosokafana omaly, 24 aprily, teny amin’ny toerana misy ny MPE na Malagasy Professionels de l’Elevage eny Nanisana ny tsenan’ny mpiompy izay haharitra herinandro. « Entina hanampiana ireo mpisehatra amin’ny fiompiana, izay nisedra olana nohon’ny fihibohana moa izao hetsika izao », hoy ny nambaran’ny tompinandraikitra ao amin’ny MPE.













