PUBLICITÉ

ASA SOSIALY – Nitsidika toby fitaizana ankizy enjehin’ny lalàna sy manana olana amin’ny fiaraha-monina ny vadin’ny mpikambana ao amin’ny governemanta

Antananarivo, 21 Desambra, 8 ora sy 10 mn hariva – Nombam-bady ny sasany tamin’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta tany Antsirabe ny faran’ny herinandro teo. Nandritra io fandalovana tany Antsirabe io no nitsidihan’ny vadin’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta ny Akany Fanantenana ao Antsirabe, toby fitaizana ireo ankizy enjehin’ny lalàna vokatry ny heloka tsotra sy ireo ankizy manana olana eo amin’ny fiaraha-monina. Ny vadin’ny Jeneraly Richard Ravalomanana, sekreteram-panjakana miadidy n’y zandarimaria, Sahondra Ravalomanana, izay nisolo tena ny vadin’ny Praiminisitra Christian Ntsay, Léa Ntsay no nitarika ny delegasionina.
?Ankoatra ny fitsidihana dia nanolotra fampitaovana sy sakafo ho an’ny Akany ireo vadin’ny mpikambana ao amin’ny governemanta. Milina fanjairana, fera fipasohana, boky fianarana sy rakibolana, kidoro, fitaovam-pihinanana, fotsim-bary, sira, vatomamy ary savony no anisan’ny entana nomena ny toby. Nisy ihany koa ny fambolen-kazo natao tao an-toerana ho fanamarihana ny fandalovan’ny mpitsidika. Ankizy 10 ka hatramin’ny 17 taona no tezaina ao an-toerana ary voafetra ho 30 ny isan’ny toerana.
Sary : Fiadidiana ny biraon’ny Praiminisitra

Souscrivez aux alertes et soyez notifiés automatiquement.

PUBLICITÉ
2424.mg Actualité & Reportages

2424.mg Actualité & Reportages

Un média en ligne indépendant, neutre, couvrant aussi bien l'actualité à Madagascar ou réalisant des reportages sur différents sujets de société. Notre vision est libre, car nous garantissons l'absence de fonds provenant de politiques dans nos revenus, nos seuls revenus proviennent exclusivement de fonds privés et de la publicité.Nous encourageons le journalisme participatif, contactez-nous aujourd'hui pour plus d'informations.

Article suivant
https://www.facebook.com/SmtpMadagascar
PUBLICITÉ

Nos recommandations

PUBLICITÉ

NEWSLETTER

RECEVOIR GRATUITEMENT LES ACTUALITÉS PAR EMAIL

REMARQUE : La confirmation et la Newsletter pourraient tomber dans votre dossier SPAM

À ne pas manquer

Heureux de vous revoir !

Connectez vous à votre compte

Créer un nouveau compte !

Merci remplir le formulaire pour s'enregistrer

*En vous inscrivant vous marquez votre accord avec les termes, les conditions et la Politique de confidentialité.

Récupérer votre mot de passe

Merci saisi votre identifiant ou votre email pour réinitialiser le mot de passe

Add New Playlist