Napetraka tamin’ny fomba ofisialy, ny 23 mey, ny filoha vaovao hitantana ny Oniversite an’Antananarivo, Mamy Ravelomanana. Nanambara arak’izany ny minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Siantifika, Madeleine Félicitée REJO-FIENENA fa hohatsaraina ny kalitaon’ny fampianarana eny amin’ny Anjerimanontolo. Isan’izany ny fanamboarana fotodrafitrasa toy ny « campus » vaovao any amin’ny faritra.













