TANAMASOANDRO – Araka ny tatitra nataon’ny APIPA ny 15 desambra lasa teo, dia tompon-tany miisa 301 no efa nanao fifanekena fifampivarotana, na « promesse de vente », tao anatin’ny 40 andro nisokafan’ny birao manokana mahakasika izany eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka.
Raha ny fanazavana nomen’ny talen’ny APIPA, Philippe Rateloson, dia 152 amin’ireo olona ireo no manana tany voakasiky ny tapany voalohany amin’ny tetikasa, ka mahafeno ny 20 ha amin’ilay 100 ha ilaina amin’izany. Niezaka nanantona ireo olona manaiky ny hanao fifampivarotana ireo moa izahay fa nohon’ny tahotry ny fiaraha-monina dia tsy nety niresaka izy ireo.













