PODCAST – FAMATSIANA – Vary 1400 taonina no tonga ao Tolagnaro hanampiana ny Faritra Anosy hiatrika ny fiakaran’ny vidin’entana
Hanamaivana ny vesatry ateraky ny fiakaran’ny vidin’entana ny any amin’ny Faritra Atsimon’ny Nosy ny fitondram-panjakana, raha ny nambaran’i Lantosoa Rakotomalala, minisitry ny Varotra sy ny Indostria ary ny asatanana tany amin’ny Lapan’ny Antenimieran-doholona ny talata faha-2 Jona. Vary 1400 taonina araka izany no nalefa tany Tolagnaro hiatrehan’ny mponina izay fiakaran’ny vidin’entana izany.













