Antananarivo, 22 mai – 12h49, Nanambara ny Kardinaly Désiré Tsarahazana, androany, fa tsy afaka nanatanteraka ny fivoriana fanao isaky ny volana mey ny fivondronan’ny Eveka noho ny hamehana ara-pahasalamana izay misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Nanapa-kevitra ihany koa ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara fa tsy hotanterahina amin’ity taona ity ny fankalazana ny Kongresy Eokaristia nasionaly sy ny faha 100 taona ny FET (Fikambanan ny Eokaristia eto Madagasikara), ary ny fihaonamben’ny ankizy na Journée Nationale des Enfants (JNA) saika hatao any Fianarantsoa amin’ny Septambra.












