Isan’ireo 67 nolazaina fa mitondra ny tsimok’aretina Coronavirus ny 6 may i, Benjara Romuld Andrianivo, na i Njara, araky ny valin’ny fitiliana natao ny 4 sy 5 may. Rehefa naverina anefa ny fitiliana natao taminy dia tsy nitombona ny vokatry ny fitsirihana voalohany. Mitantatara ny 14 andro niainany ny fanokana-monina azy teo anelanelan’ireo fitiliana efatra natao taminy.













