FIATREHANA NY FAHAMEHANA ARA-PAHASALAMANA : Ilaina ny mitandrina mba hampitony ny saina hoy ny psychologue
Manoloana ny fahamehana ara-pahasalamana, misy ireo miasa saina, indrindra amin’ny fomba iatrehana azy. Araka ny nambaran’i Koloina Andrianilaina, psychologue clinicienne, izay natoninay, dia ny fahatonian-tsaina sy ny fahamalinana no ilaina voalohany indrindra entina miatrika ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena ankehitriny. Rehefa malina dia mora kokoa ny miatrika ny asa izay atao andavanandro.













