Nanambara i Eric Andrianasolo, filohan’ny Olafitry ny mpitsabo eto Madagasikara, fa tokony arahina ny fenitra ara-pahasalamana hoan’ny gel desinfectant. Tsy tokony latsaka ny 60% ny tahan’ny alikaola ao anatiny, raha tsy izany dia tsy miaro izy ireny hoy izy.