Manomana lalàna mikasika ny ny fanafarana sy ny fitsinjarana solika eto Madagasikara ny ministeran’ny angovo sy ny akoran’afo. Lalàna izay hampisy fisokafany kokoa hoan’ireo izay te hanafatra sy hitsinjara solika eto amin’ny Nosy. Manazava ny ministra Christian Ramarolahy fa ho atolotra eto anivon’ny antenimieram-pirenena amin’ny fivoriana ara-potoana faharoa amin’ity taona ity izany.












