Efa mijery izay mety handrindrana ny fanondranana ny vokatra lavanila sy jirofo ny fitondram-panjakana, hoy ny minisitry ny Indostria, ny varotra ary ny asatanana, Lantosoa Rakotomalala, nandritra ny fandraisam-pitenenany teo anivon’ny Antenimierandoholona ny talata lasa teo. Anisan’ny misedra olana lehibe noho ny fisian’ny valan’aretina Covid-19 maneran-tany ireo seha-pihariana ireo, izay anisan’ny mampiditra vola vahiny be indrindra eto Madagasikara.













