Anisan’ny mpitolona, mpitari-tolona mihitsy aza, tamin’ny hetsika 1972 Irène Rabenoro. 50 taona aty aoriana, mpampianatra mpikaroka izy. Tsapany ny fihemorana nisy teo amin’ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy. Ekeny fa mbola misy ireo tsy rariny mianjady amin’ny Malagasy maro. Tsy ampy ny finiavana hoy izy. Tsy nisy ny mpandimby. Milaza kosa anefa izy fa nitondra vokatsoa ihany ny tolona tamin’izany, satria nanjary afaka nandia sekoly sy oniversite ny tanora malagasy. Na efa tsy ampy intsony indray aza izy ireny ankehitriny. Tafatafa.














