Tsy matoky ny rafi-pifidianana misy ny fiarahamonim-pirenena Rohy. Araka ny nambaran’i Faraniaina Ramarosaona, mpikambana ao amin’ny hetsika Rohy, ny 23 jolay teny Antaninarenina, dia misy fitanilana ny rafi-pitsaranan’ny raharaham-pifidianana misy ankehitriny.













