2424.mgArticles similaires
Isan’ireo vohitra 12 manana ny tantarany eto Imerina ny Rovan’Ilafy. Toerana nanjakan’ny Tsimiamboholahy ary nosafidian’ny Mpanjaka Radama II ho toerana fialan-tsasatra nadritry ny fotoana fohy nanjakany. Ho fanomezana lanja ny toerana dia manao diabe ny mponina Ankadikely Ilafy, mandritra ny hetsika Fanandratana ny Rovan’Ilafy (Faroi). Ny tanjona dia mba hisariana ireo mpizahantany maro hoy ny tale jeneralin’ny kolontsaina ao amin’ny ministeran’ny Serasera sy ny kolontsaina, Françis Razafiarison, ny 26 jolay teny Ilafy.