Tazonina ny fanadinana CEPE ary averina ny tetiandrom-pampianarana teo aloha ka ny fidirana ho an’ny taom-pianarana 2019-2020 dia ny volana oktobra ary hifarana ny volana jolay. Ireo no nambaran’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha, Félicitée Rejo-Fienena, ny 26 jolay teny Anosy, nandrintra ny famindram-pahefana teo aminy sy ny mpandimby azy, Volahaingo Marie-Thérèse.
Tags: Éducation