« Fifamenoanan’ny voary mifanipaka », io no lohahevitra nitondran’i Ralaindimby Hery Zo, ny fampiratiana sary hosodoko ataony etsy amin’ny Is’Art Galerie Ampasanimalo. Nisokatra tamin’ny 13 jona ity hetsika taterahan’ity mpanakanto vao misandratra ity, ka tsy hifarana raha tsy amin’ny 20 jolay.