Tsy ireo olona hiroso amin’ny fanambadiana ihany, fa ireo izay mikarakara taratasy ihany koa dia misedra olana amin’izao andron’ny fihibohana izao. Nanambara ny avy eo amin’ny kaominina sy ny fokontany fa ireo taratasy izay ilaina maika ihany no karakarain’ireo tompon’andraikitra.













