TEDx YOUTH – Tovovavy folo no nijoro ary nizara ny tantaram-piainany nandritra ny andro maneran-tany ho an’ny ankizivavy, ny faha 11 okotobra. « Ampela Unstoppable », izay no lohahevitra nentin’izy ireo ary nahitana taratra izay tokoa raha ny lalam-piainan’izy ireo.
Noho ireo sedra nandalovany, dia miady ary manentana ny vehivavy tanora izy ireo mba tsy hanisy sakana eo amin’ny fiainana mba hahatratrarana ny tanjona iriana. Samy manana ny mapiavaka azy ireto ankizivavy ireto. Araho ny fitantarany.