Ao anatin’ny ady atao amin’ny fihanaky ny valan’aretina Coronavirus dia manolotra famendrehana fanafody maimaimpoana amin’ny fiaran’ireo mpanjifa solika eny amin’ny tobin-tsolika ny Galana. Isa-maraina manomboka amin’ny 07 ora ka hatramin’ny 09 ora no hanatanterahina izany. Voakasik’izany ireo tobin-tsolika rehetra eto Antananarivo, Antsirabe ary Toamasina.













