Radoniaina Rabarinirina sy Olga Nivoarimanana, mpivady mpamboly sy mpivarotra hani-masaka monina ao amin’ny kaominina Mahatsinjo, distrikan’ny Maevatanana mitantara ny fahasahiranana mianjady amin’izy ireo nohon’ny valan’aretina coronavirus. Tapaka ny fitadiavana amin’ny an-davan’andro, ny vokatra hiakatra ihany koa dia tsy fantatra izay ho vidiny hoy ilay raim-pianakaviana.














