Mitotongana, izay no azo amehezana ny vidin’ny lavanila maitso amin’izao fotoana izao any Ambanja. 50 000 ariary no hividianan’ireo mpanangom-bokatra arak any tatitra nataon’ny Honoré, mpividy lavanila maitso, raha toa ka nanodidina ny 170 000 ka hatramin’ny 220 000 ariary izany tamin’ny taon-dasa.
Ahiana hitovitovy amin’izany miseho any Sambirano izany ihany ny mety hiseho any amin’ny faritra SAVA, izay mbola miandry fisokafan’ny tsena ny 15 jolay, raha araka ny fanamabarana nataon’ny Zakir Houssen Mamodaly, filohan’ny tranoben’ny varotra SAVA.













