Araka ny baiko nomen’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina dia voasazy hanao asa hoan’ny daholo be na “travaux d’intérêt general” ireo rehetra tratra tsy manao aro-vava manomboka anio alatsinainy 27 aprily. Efa nisy ny “arrêté” navoakan’ny teo anivon’ny prefektiora mba ho fanatanterahana izany ka maro ireo tratra tsy nanara-dalàna teto Antananarivo sy ny manodidina.













