Miroso hatrany ny fanatanterahana ny volana ramadany hoan’ireo mpino silamo manerantany na dia ao anaty fihibohona aza nohon’ny valan’aretina coronavirus. Raha ny eto amin’ny Mosquée 67 ha centre ouest ohatra dia efa noraisina avokoa ireo fepetra rehetra hisorohana ny fiparitahan’ny aretina.













