Dokotera efa misotro ronono nefa mbola matanjaka, na dokotera vao nahavita fianarana fa eo am-piandrasana asa, infirmiera na mpampivelona tsy an’asa : ireo no antsoin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka hanolo-tanana amin’ny fitsaboana ireo mararin’ny covid-19. Haharitra herintaona ny fifanarahana hiasa, raha ny voalazan’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Profesora Hanitrala Jean Louis Rakotovao tao amin’ny televiziona malagasy androany alakamisy, ary hitovy amin’ny karaman’ny mpiasam-panjakana ny karama. Antso avo.













