«Miloko telo soratra ny sainam-pirenena malagasy ankehitriny dia ny fotsy mitsangana manaraka ny hazo ary ny mena sy ny maitso mitsivalana mifanongoa, ny mena ambony». Nandritra ireny «Alefa Barea» ireny dia nipoitra ombieny ombieny ny sainam-pirenena malagasy. Jejo nitanisa ny lokon’ny sainam-pirenena ny olona maro. Saingy.
Saingy. Ny sasany nandiso ny fanoratana ny MAITSO, nataony hoe maintso. Saika ho fanitsiana io fotsiny no niheverako ity lahatsoratra ity, saingy revo tamin’ny loko aho dia nanita-kevitra. Fanitaram-pahalalana.
Fahiny, ny hazo sy ny zavamaniry teo am-pelatanana ihany no nangalan’ny Ntaolo ny loko ho ampiasainy. Ny hazo antsoina hoe aika no ahazoana ny Manga (indigo). Ny Fotsy, hono, azo amin’ny laloto na amin’ny nonoka. Ny Mainty masahana amin’ny vodi-voahirana (tatamo) na amin’ny ravin’ampongabendanitra. Miara-tanehina amin’ny fota-mainty koa ny hoditry ny rotra na ny ravi-maitson’ny lalona na ny vodi-herana dia miteraka ranomainty fandomana kofehy. Mba hahazoana ny Maitso dia mangàna aloha ny kofehy vao atsoboka anaty ranon-tamotamo. Ny tamotamo mandranoka ny Mavo. Ny vovoky ny hazo vandrika no anaovana ny Vony. Ny Mena alaina amin’ny nato, hozo, harongana, amontana, vahona.
Ny Vony raha haroana mena tanora dia manjary Haboka. Tsy niandry ny «quadrichromie» ny olona taloha dia nahay nampifangaro loko roa hahazoana loko fanintelony hafa.
Mainty = mavo + manga (cyan) + mena (magenta).
Mainty = cyan + mena
Mainty = magenta + maitso
Mainty = indigo + mavo
Manga = cyan + magenta
Maitso = mavo + manga
Mena = manga + mavo
Ny jaky, nitafian’Ny Andriamanjaka taloha, mivolona-ràn’omby lavo sorona an-kianja, no mifandraika amin’ny magenta. Ny elo mena, an’Ny Andriamanjaka irery ihany, jaky mena sa mena midorehitra tahaka ny volon’ny fodilahimena ? Ny lambamena, anarany fotsiny, fa tsy voatery miloko mena.
Ny lanitra mangamanga. Ny voatabiha (tabiha sy rehareha) mena. Ny volo antitra fotsy. Ny volo tanora mainty. Ny volo tanora anefa maitso volo ihany koa. Ny mainty izany maitso. Indraindray koa ny manga milaza mainty : zazamanga, ohatra.
Ny feo mety ho fotsy, raha mivalana. Manga kosa raha mahay mihira. Ny manga amin’Ambohimanga sy Analamanga fahiny : manga midika hoe tsara, sa manga maizin’ny ala mbola nandrakotra ny vohitra, sa manga sanga ?
Ny tany fanao trano manga, misy koa vony : ny tany fotsy, na tany ravo, dia tany sokay fandalorana rindrindra na fanaovana bakoly. Ny ranomena fitsaboana, ny rano mainty fanoratana. Ny biby misy vorompotsy, ombimanga, vandana ka kary…
Indro fomba fiteny dimy maha fanina ny Vahiny amin’ny fomba fisainantsika. 1) Amin’ny fiteny MAINTI-molaly, ny raiamandreny lehibe no antsoina hoe FOTSI-volo. 2) Ny FOTSImbary dia izay vary voatoto, na dia vary MENA aza. 3) Mamotsifotsy Fotsy volo = maniratsira raiamandreny. 4) Hajao ny FOTSY volo amin’ny Tany na dia efa olo-MANGA mbola MAITSO volo aza ny tena. 5) Sora-tononina saro-tononina : Fototsofin’Ifotsy, FOTSY ; Ifotsy, FOTSY foto-tsofina…Ifotsy eto dia ny zanakavavy mazava hoditra.
Fanina ny Vahiny na ireo Gasy tsy zatra intsony, satria tena nandaitra ny politikan’ny teny tamin’i Gallieni moa ny Gasy nanimba ny Fanagasiana. Fanina, indrindra raha mbola zarazaraina indray ny hevitra hoe mety ho tsara ny fotsy (fotsivolo = raiamandreny, fotsy kotro = tany masaka, lonaka, mahavokatra), mety ho ratsy ihany koa (fotsy feo = mamalan-kira, fotsy rora = tsy misy mihaino)…
Mivolon-dronono, rahompotsy, vovohan-dandihazo, diavolana, oram-panala : manopy fotsy avokoa ireo. Izay Fotsifotsy, tsy tena fotsy, fa mivolon-dronono. Ny Fotsy fiaka : tsy tena fotsy madio fa somary mavo na haboka tanora. Ny Fotsy mavo dia fotsy mifangaro vony tanora. Fotsy mangatsakatsaka (tena fotsy madio), fotsy botsiaka (fotsy botsiaka), fotsy mangatsohatso (fotsy mazava), fotsy manjopiaka (fotsy mangirana ka mamiratra nony tarafin’ny hazavana), fotsy ranoiray (fotsy tsy misy pentina). Hafahafa noho iretsy voalohany kosa ireto manaraka ireto : fotsy vasoka, fotsy mangavoka, fotsy bobo, fotsy botsatsaka, fotsy hatsatra.
Fa na izaho koa aza fanina raha ho tanisaina eto daholo ny volon’ny omby : sada, sadabe, sadamanga, sadamaitso, sadamavo, sadamena, sadavolavita… Fanina tanteraka Mompera Dubois (Monographie des Betsileo, 1938, pp.482-487) ka nataony hoe «Daltoniens angamba ireto Betsileo ireto»…
Ho fahafinaretan’ny maso sy ny sofina, satria mihira ny teny gasy, indro tononkalo roa hifanaovam-beloma an-doko.
Ny maso variana mandinika mora
Ny fomba firentin’ny loko niely
Ny mena dorehitra zary tanora
Dia toy ny takolak’ireo zazakely
Ny volomparasy nanombana manga
Toa lamba fitafin’ny zanak’andriana
Ny jaky nisoratra soa vangavanga
Dia loko tsy hita amin’ny sora-jandiana
(«Rakotoko», Ny Avana 1891-1940)
Voleo voninkazo eo ambonin’ny lohako
Fotsy sy Mavo ary Manga sy Mena
Ny Fotsy ho marik’ilay fahadiovana
Fotsy madio, fa tsy azo lotoina
Ny endriny Mavo ny fofony manitra
Dia fivavahana ataoko any an-danitra
Ny Manga ho marik’ilay fihafiana
Niaraha-nitondra ny zava-mangidy
Ny Mena no taratry ny Afo tsy maty
Mirehitra lava ao anatin’ny foko
(«Rehefa maty aho», Jasmina Ratsimiseta, 1890-1946)














