«Amin’ny anaran’ny tenako manokana, ary amin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy 25 tapitrisa, ampahibemaso ary am-pomba ofisialy, no angatahako vahaolana hitantanana na hamerenana aminy ny Nosy manodidina an’i Madagasikara (…) Ho an’ny vahoaka Malagasy dia raharaham-piandrianam-pirenena ireo Nosy manodidina ireo».
Tsy afaka tsy niteny an’io Andry Rajoelina satria efa niandry loatra ny olona indrindra fa toa nomoramorain’i Hery Rajaonarimampianina ny resaka tamin’ny François Hollande na dia votsotra aza ny hoe «co-gestion», tamin’ny 2016.
Aleo tsy hila voatsiary. Nampanantena izy fa hiteny, ka nambarany imasom-bahoaka tokoa. Tsy misy ren-tany ren-danitra mihoatra noho ireny filazana imaso-imaso ireny, indrindra an-tranon’ny olona hanateram-pondro.
Aoka anefa isika tsy handihy tsy afa-tavony, satria mbola ho sarotra ny raharaha. Izany teny hoe «co-gestion» izany mantsy dia efa navoakan’ny COI (Commission de l’Océan Indien) tamin’ny taona 1999, nentina nanamorana ny ady varotra teo amin’ny Frantsa sy Nosy Maorisy mikasika ny Tromelin : vita sonia ny 7 jiona 2010 ny fifanarahana-rafitra mikasika io «co-gestion» ekonomika, siantifika ary ara-tontolo iainana io saingy tsy nandrimbinana ny fiandrianan’ny Frantsa amin’ny Tromelin izay nafoin’i Madagasikara ho an’ny Nosy Maorisy hatramin’ny 1978.
Jereo koa ohatra ny adin’ny Nosy Maorisy sy Britaina mikasika ny Chagos. Mainka manano-sarotra ny nanomezana ny nosikely Diego Garcia hofain’i Amerika, tamin’ny 8 novambra 1965. Dimampolo taona ngarangidina izao no mifandrirotra ny roa tonta. Vao haingana teo, ny 22 mey 2019, no nomen’ny firenena 116 rariny tao amin’ny Fivoriamben’ny Firenena mikambana ny Nosy Maorisy : 94 ireo nanohana roa taona lasa izay. Asa, na ny «Hevitra» navoakan’ny CIJ (Fitsarana iraisam-pirenena), na ny fandresen-dahatra nentin’i Maorisy, sa ny vondrona afrikana, sa ny vondrona «Non-Alignés», fa nihena ho 6 no sisa manohitra raha mbola 15 izy ireo tamin’ny 22 jiona 2017.
Ny 25 febroary 2019 lasa teo mantsy, dia nanolo-kevitra ny CIJ mba hamafan’i Britaina ny vary mangatsiakan’ny Fanjanahantany. Azo heverina fa menatra sy afa-baraka ihany Britaina tondroina molotra ho mbola mpanjana-tany firimpolo taona aty aoriana, indrindra izao vanin’andro ankehitriny izao. Izany firenena britanika izany no nahitan’izao tontolo izao ny demokrasian’Antenimiera, ary zanany ilay poety malaza Rudyard Kipling saingy sady nanoratra ilay «Ho lahy ialahy», anatra misy ventiny tokoa, no nametsovetso ihany koa anefa ny «Sitrapon’Ikamisy Fotsy hoditra», toa mamporisika ny Fanjanahantany…
Tsy fombantsika Malagasy ny ndeha hanala-baraka ankitsirano an’i Frantsa tahaka izay nanaovan’ny Maorisy an’i Britaina tany amin’ny Firenena mikambana. Marina tokoa, angamba, ny nifanarahan’izy roalahy Filohan’ny Repoblika mialoha hoe «tsy mifampitory, tsy mifampila kisa, tsy mifanasa vangy».
Azontsika tsara ny mba fangatahan’i Emmanuel Macron : «mpiray donak’afo, mifanatona, mifampiresaka, mitady marimaritra iraisana (…) asa hifandrimbonana, hifampizarana fandrosoana (…) hevitra mifanatavy hahasonenika ny roa tonta».
Izay ilay Fihavanana : «fisakaizana hafakely, nomasahan’ny Tantara niaraha-nodiavina sy ny fifandraisam-po tsy manam-paharoa» (hoy Emmanuel Macron), na dia «eo aza ny zana-parasisan’ny lasa» (hoy Andry Rajoelina).














