Antranonkala Faha Roambinifolo, androany Roambinifolo Jiona. Ndao ho atokana amin’ny Roambinifolo miverimberina amin’ny Kolontsaintsika : Roambinifolo, fanoratra misary teny tokana, na azo soratana sy vakiana koa hoe Roa Ambin’ny Folo.
Ny teny «Fara-Hafatra» nataon’Andrianampoinimerina, rehefa hiamboho izy ny taona 1810, ankeviny teo amin’ny faha fitopolo taonany, no ahitana azy miavaka. Hoy ary Ny Ombalahibemaso : «Ity Fanjakantsika ity dia finari-bavan’Andriamasinavalona, ka napetrany tamin’Andriantsimitoviaminandriana sy Andriambelomasina, ary napetraky ny Roa amin’ny Folo Manjaka amiko sy hianareo». Ery ambany, William Edward Cousins, Misioneran’ny London Misionary Society, nanangona izany kabary izany, dia nitondra izao fanazavana izao : «Amin’ny teny hoe «Roa Ambin’ny Folo Manjaka», sy «Roa Ambin’ny Folo Vavy» sy «Tendrombohitra Roa Ambin’ny Folo» sy «Sampy Roa Ambin’ny Folo», ny hoe «Roa Ambin’ny Folo» dia tsy mba filazana isan-javatra marina loatra, fa teny fanajana enti-milaza ny zavatra momba ny Mpanjaka».
Mahavaka-saina ny fikasana hanova ny fomba fanisana nentin-drazana, mba hifandraika amin’ny fanoratana «ordinateur» ankehitriny, raha toa ka «masina» tahaka izany ny teny hoe «Roa Amby ny Folo» (araka ny nanoratana azy ao amin’ny bokikely «Livra Voalohan’ny Fianara-Marika», natontan’ny Misionera Katolika tamin’ny 1878). Toa manimba sofina sahady izany hoe «Tendrombohitra folo roa amby» izany.
«Iry Tendrombohitra tomandavana / soa malomaloka, mavamavana / topazo maso fa raha tazanina / manerinerina mahamanina», hoy «Ny vazon’ny lavitra» nosorotan’Ny Avana Ramanantoanina an-tsesitany : nankaiza indrisy, nankaiza ny vohitra tsy manerinerina intsony ? Mampalahelo mantsy ny mahita ny vohitra manodidina an’Antananarivo trongisina sy aetry, hangalana (sa hangalarana) ireny ranontany hanotofona an’i Betsimitatatra ireny. Etsy ampototr’Ambohidava ohatra, vodivonan’Andriamambavola isan’ny «Roambinifolo» lahy nampanjaka an’Andrianampoinimerina (sy Ranavalona I taty aoriana), lavaka goavambe, hantsana lalina, avela ho koahin’ny ranonorana rehefa vita ny nilana azy.
Ny Tendrombohitra Roambinifolo no naha Imerina an’Imerina : asa, Fokonolona iza, sa Fanjakana aiza, no tokony hizaha an’Iharanandriana, lalovan’ny arabe mankany Ambatolampy sy Antsirabe. Misy mikiky mantsy ny avaratra atsinanany ao. Izay Didy aman-Dalàna toa tsy ahoan’ny olona tato ho ato : aleo hakarina ho fady sy hampanarahana ozona ho aron’ny vozony.