Namoaka laharana manokana » Solombavambahoaka, fantaro ny asan’izy ireo sy ny manodidina ny fanatanterahany ny asany » ny gazety boky « Politikà ». Matetika dia afangaron’ny mpifidy ny andraikitry ny solombavambahoaka sy ny ben’ny tanàna, ary tsy mahafantatra ny tena asan’ireo olomboafidy ireo ny mpifidy.













