DADAH – MAHALEO – Gina ny feo, vahotra ny lela, manganohano ny maso. Tankina tanteraka ireo mpankafy tonga nanotrona ny fianakaviana sy ny mpikambana ao amin’ny tarika mahaleo androany 6 novambra tao amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina.
Nanamarika ny fiainan’ny mpitia zavakanto tokoa mantsy ity mpitendry sy mpamorona sady mpihira ity. Maro ireo mpihira efa nifampizara sehatra taminy, ary namorona hira maro ho an’ireo mpanakanto hafa koa i Andrianabela Rakotobe na i Dadah fony fahavelony. Namela fahabangana goavana eo amin’ny tontolon’ny zavakanto malagasy itompokolahy.