DIARY NOFY – Mahaliana ny ankizy ny manoratra mahakasika ny tontolo iainana, sy ny zava-misy andavanandro. Nandritry ny fifaninana manoratra tantara fohy « Diary Nofy » no nahatsapana izany. Isan’ny voafantina tamin’ireo mpandresy dimy ny tantara nosoratan’i Irma Marie Raharinantenaina. Ity farany izany nampifantoka ny sangan’asany amin’ny tontolo iainana eto Madagasikara.
Notanterahina anio ihany koa ny fizarana ny loka ho an’ireo mpanoratra dimy voafantina tao anatin’ireo 400 mahery nandray anjara. Horaketina ho boky ary haparitaka amin’ny sekolim-panabezana fototra ny sanganasan’izy ireo manomboka ny 2 aprily ho avy izao.