Andraikitry ny toeram-pitsaboana amin’ny sehatra tsy miankina ny manome antontan’isa sy antontam-baovao ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Vitsy anefa no manatanteraka izany. Na izany aza dia tsy mbola nisy sazy nampiharina ho an’ireo izay tsy nahefa izany. Tsy ampy fandavan-tena izy ireo raha ny fanazavan’ny Talen’ny Direction des Etudes, Planification et de Système d’Information (DEPSI) eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, Julie Harisoa. Nanatanteraka atrik’asa teny Antaninarenina, araka izany ity ministera ity, ny 03 aprily, mba hampatsiahivana izany andraikitra andrasana amin’ny toeram-pitsaboana tsy miankina izany.













