Anisan’ny olona marefo, mora ifindran’ny aretina ny marary eny anivon’ny hopitaly. Mba iarovana azy ireo, dia entanina ny olona mba ampihena ny isan’ny mpamangy marary, amin’izao fotoanan’ny fihibohana izao. Manazava izany ny profesora Lovaniaina Joëlson Rakotoson, tompon’andraikitra eo anivon’ny hopitaly Joseph Raseta ao Befelatanana (HJRB).













