Fotsy mangatsakatsaka ankavia. Mena midorehitra ambony. Maitso ahitra ambany. Tsy ny firafitry ny sainam-pirenena ihany no tokony harahina fa eo koa ny lokony sy ny refiny. Na ny famalomana azy aza dia misy fenitra tokony harahina. Fomba entina maneho ny fanajana ny sainam-pirenena ny fanajana ireo fenitra sy fepetra voafaritra. Ankoatra ny fampahafantarana ny tantaran’ny sainam-pirenena dia tanjon’ny fampirantiana karakarain’ny Komity mpanomana ny fankalazana ny fetim-pirenena ny fampahatsiahivana ireo fenitra ireo.













