Tamin’ireo birao fandatsaham-bato 25 388 teto Madagasikara dia 20 no nahitana tsy fahatomombanana araky ny nambaran’ny CENI. Miisa roa kosa no tsy afaka nanantontosa fifidianana mihitsy. Olana teo amin’ny biletà tokana ny ankamaroan’ireo tsy fahatomombanana ireo toy ny fisiana marika hafahafa na fifamadihana tao amin’ny biletà tokana. Nisy ihany koa ny kandidà izay tsy tafiditra tao amin’ny biletà ny anarany sy ny sariny.
Marihina fa tamin’ity fifidianana ity dia teto Madagasikara daholo no natonta ireo biletà tokana nampiasaina. Nilaza ny CENI fa efa voavaha ny andron’ny fifidianana ihany ireo olana ireo.
Souscrivez aux alertes et soyez notifiés automatiquement.