31% ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy nandritra ny fifidianana izay ho solombavambahoaka ny 27 mey, raha ny vokatra vonjimaika manerana ny Nosy no jerena. Taha izay isan’ny ambany indrindra teo amin’ny tantaran’ny fifidianana teto Madagasikara, raha araka ny nambaran’ny filoha lefitry ny vaomiera mahaleotena mikarakara ny fifidianana (CENI), Thierry Rakotonarivo, ny 28 mey teny Alarobia.