Hatramin’ny niantobohan’ny fihibohana dia tsy nahazo niasa intsony ireo taxi eto andrenivohitra. Misy fiantraikany mafy amin’ny fiainan’ireo tompona taxi anefa izany satria maro amin’izy ireo no tsy manana fidiram-bola ankoatry ny taxi. Nanaiky hijoro vavolombelona amin’izany i Ruffin sy i Lalaina.













