Hiverina hiasa ireo taxi-be manomboka rahampitso 22 aprily. Manaiky ny fandaminana napetraky ny fitondram-panjakana ireo mpamily sy ireo mpanampy azy na dia mahatsapa aza izy ireo fa tsy ho mora izany. Ny eo anivon’ny Agences des transports terrestres (ATT) dia nanamafy fa hisy fanarahamaso ataon’ireo tompon’andraikitra mahakasika ny lamina napetraka mandritra ny 15 andro.













