Niverina niasa nanomboka ny 22 aprily ireo fiara taxibe eto Antananarivo Renivohitra. Misy ireo lamina ara-pahasalamana napetraka mba iarovana ireo mpandeha. Raha araka ny nambaran’i Mampionona Ratolojanahary, “pointeur” amin’ny Zotra H mampitohy an’i Lazaina sy Ambodivona, ny 23 aprily, dia tsy maintsy tsinjaraina ilay gel “disinfectant” satria 500 ml isaky ny telo andro no omena ireo mpitatitra.













