Manatanteraka fivoriana tsy ara-potoana mandritra ny 12 andro ny mpikambana ao amin’ny antenimieram-pirenena nohon’ny didy navoakan’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana (HCC) ny amin’ny tsy maintsy ankatoavan’ny antenimiera ireo didy hitsy volana izay navoakan’ny filoham-pirenena tamin’ny fotoana nahazahoany alàlana nanao izany.
Etsy an-daniny dia nilaza ny filohan’ny antenimieram-pirenena, Christine Razanamahasoa fa tsy handalo adi-hevitra intsony ny mahakasika azy ireny fa tonga dia hiroso amin’ny fankatoavana avy hatrany ireo depiote.













