Nohamafisin’ny komity mahaleotena mpikarakara ny fifidianana (Ceni) ny fisian’ny karam-panondro mitovy laharana miisa 1 162 512 tao anaty lisi-pifidianana. Raha araka ny nambaran’i Heriniaina Rakotomanana, filohan’ny CENI, ny 04 martsa teny Alarobia, dia lesoka efa nisy tao anaty lisi-pifidianana nanomboka ny taona 2012 izy ity ka fotoana izao anadiovana izany.
Mitaky ny hanafoanana ny fifidianana izay natao avy tamin’ireo lisitra ireo moa ny vondron’antoko avy ao amin’ny Rodoben’ny mpanohitra hoan’ny demokrasia eto Madagasikara. Notsindrin’ny filohan’ny Ceni fa tsy mandiso velively ny voka-pifidianana telo izay notanterahina nanomboka tamin’ny filoham-pirenena ka hatramin’ny fifidianana kaominaly izany. Noho izay dia tsy misy antony tokony hametrahan’ireo mpikambana ao amin’ny CENI fialana.