Samy manana ny fomba fanisana ny taona ny faritra tsirairay eto Madagasikara. Fa ho an’ny teto Imerina manokana dia manomboka amin’ny Alahamadibe ny taona iray. Ny fihodin’ny volana no namaritana ny tetiandro ka tsy mifanandrify amin’ny tetiandro gregoriana ny tetiandro merina. Mifanitsy kokoa amin’ny tetiandro silamo izy, hoy i Eris Rabedaoro, mpikaroka ara-kolontsaina : amin’ny fotoanan’ny Eid El Fitr no manamarika ny Alahamadibe, voalohan’ny taona ry zareo Merina. Misy anaram-bintana 12 ny taona iray teto Imerina, manomboka amin’ny Alahamady ka mifarana amin’ny Alohotsy. Araho ny fanazavana dia fantaro ny vintanao.














