Tsy ny metatra na ny kilaometatra no namaritan’ny Malagasy ny refy tany aloha tany. Ny rantsam-batany na ny faritra teny amin’ny vatany na koa zava-misy niainany no namaritany ny refy. Raha zavatra fohy dia fohy ohatra dia ny rantsan-tanana no nentina nandrefy izany. Raha toa indray ka halalin-javatra dia noharina avy amin’ny vatana ka manomboka avy any am-paladia no miakatra hatrany an-tampondoha. Raha toerana moa dia niainga tamin’ny fifandraisana sy ny zava-nisy niainany. Fanazavana.














