D-Day : 75 taona lasa izay, nihazo ny morontsirak’i Normandie any Frantsa, ny andian-tafika lehibe indrindra tamin’ny tantaran’ny zanak’olombelona. Miaramila an’hetsiny, sambo mpiady an’arivony, fiaramanidina anjatony, hananika ny «Atlantikwall» (Tambohon’ny Atlantika) naorin’ny Alemana : 4000 kilometatra miala any atsimo andrefan’i Frantsa ka hatrany Norvezy. Roa arivo sy roa alina no nifamotoana tamin’ny fahafatesana, saingy tsy sorona maina fa vaky ny manda.
Fa D-Day hafa no tiako resahana androany. Ilay zaza, toa vao omaly no nateriko tany amin’ny Maternelle, mantsy manala bac androany. Mandeha ny fotoana, tsy miandry antsika.
«Tiantsika noho ny itiavany antsika ny zanantsika» hoy ilay poety frantsay Victor Hugo. Lalan’ny fiainana izany. Roambinifolo taona lasa angamba, toa notantanako izy, naterina T1. Fa nahatsikaiky nahamenamenatra raha mbola nanao azy mbola zaza aho androany. Izany tokoa ilay hiran-dry Mahaleo : «sondrian-tory mihevitra anao ho ankizy foana, hay moa ianao tonga taona».
Asa ianareo, fa mahafalifaly ahy ny mahita ankizy marobe, mandeha irery na manao andiany, mihazo ny sekoly. Porofo velona ireny fa fiaraha-monina liam-pahalalana ny antsika. Io fianarana io, «vatsy tsy azo adino», no maha Homo sapiens antsika, fa tsy Amboanala na Babakoto.
Eny e, toa ohatran’ny anaran-tsy very izany sisa ny baccalauréat satria toa tsy miteny intsony raha tsy Bac+4, +5, +10. Hatreto anefa aloha, raha tsy manana bac, tsy tafiditra Oniversite. Tamin’ny andro nahazoako Bac, tsy nampoiziko ny hafalian-dRainay : asa, tonga tokoa tamin’ilay hoe «izay adala no toa an-drainy». Fa ankoatra izay, sedra tsara lalovana io fanadinana
Mahaleova retsy, ry «zanaky ny fahanteran’ny tany mifandimby», araka ny soratr’i Jean-Joseph Rabearivelo.














