Ny fahatsapana ny tsy fahafenoan’ny demokrasia eto Madagasikara no isan’ny mahatonga ny fahalainan’ny olona hirotsaka amin’ny sehatra politika. Nanambara ny filohan’ny vaomieran’ny fifidianana ao amin’ny hetsika Rohy, Mahamoudou Ndriandahy, ny 17 septambra teny Ambatonakanga, fa tsy harisika intsony ny mpifidy raha toa ka tsy voamboatra ny lalàm-pifidianana.